Aza alevina miaraka amiko ny tongotro sy ny tanako ary ny vavako
Rédigé le Lun 23 Juin, 2008 07:32:37 
Hafatry ny maty nanahiran-tsaina
“Aza alevina miaraka amiko ny tongotro sy ny tanako ary ny vavako”
Resaka tsy nifankahazo no saika nahavitana zavatra sarotra tanterahana, dia ny fanapahana ny tongotra sy ny tanana ary ny lohan’ny maty.
Teo ambavahaona ity rangahy lehibe no nametraka izao hafatra izao tamin’ny zanany telo mirahalahy: “Efa mihaantitra aho ary tsy ela dia tsy ho eto intsony. Koa raha mbola ao an-tsainareo fa izaho no rainareo dia izao no hafatra apetrako aminareo ary tsy maintsy hotandremanreo rehefa maty aho: voalohany, aza alevina miaraka amiko ny tongotro, faharoa, ny tanako, ary fahatelo farany, ny vavako”. Sahiran-kevitra izy 3 lahy zanany nony tonga tokoa ny andro nahafatesany, tamin’ny volana mey teo.
Hevitra mifono
Alahady faha 4 Mey. Vory lanona ny havana aman-tsakaiza ary ny mpiara-belona fa lehilahy tsongoin’olom-bolo teo amin’ny fiarahamonina ity lasana. Nangata-dalana tamin’ny rehetra izy telo lahy mba hisintaka kely fa hoe mbola misy fikarakarana manokana hatao amin’ny maty. Teo izany no hoe hanatanterahana ilay hafatra. Ny tongony no notapahany voalohany. Tamin’izay indrindra anefa dia niditra tao amin’ilay efitrano ny rahalahin’ny maty. Gaga izy raha nahita ny nataon’izy telo lahy. Teo vao nohazavainy fa misy hevitra mifono ilay hafatra fa tsy hoe hotanterahana ara-bakiteny. Nambarany àry fa ny dikan’ny hoe: aza alevina miaraka amiko ny tongotro dia izao: ny famangivangiana nataony teo amin’ny fiarahamonina tamin’ny toerana samihafa dia aoka mbola hotohizanareo; Ny tanana hoe tsy alevina indray dia ity: tohizo ny asa efa nataon’ny tanany; Ary ny amin’ny vava dia hoe: aza miavona aman’olona ianareo fa mba miresaha tsara toa azy amin’ny mpiara-monina”. Teo vao tonga saina izy telo lahy. Efa tsy mahazatra intsony koa moa ny hafatra toy izany amin’izao andro izao. Tao Ampasimandraotra Sambava no nitrangan’izao zavatra izao.
Mamy Augustin sy niry ramanitra
Source : http://www.gazetiko.mg/gazetiko/index.php?option=com_content&task=view&id=2503