permalien FITSARANA NY JLY FIDY

Rédigé le Lun 19 Mai, 2008 10:35:27 Ajouter un commentaire
Tapaka tampoka ny jiro, niala ny efitrano ny mpitsara


 Ny zoma maraina**, andro fahatelo nitsaran’ny Fitsarana adiheloka bevava ny Jly Fidy sy ny ekipany momba ilay raharaha fanonganam-panjakana teny amin’ny BANI, tamin’ny 17 novambra 2006. Ankoatra ny fisavan’ny mpitandro filaminana ny mpanatrika ny fitsarana dia novonoina daholo ny finday ary nangonina ny fitaovana rehetra nampiahiahy. Nitohy hatramin’ny misasakalina ny fitsarana. Vavolombelona 36 no nokasaina hohenoina tamin’io ary nilaza mialoha ny Filohan’ny Fitsarana fa hotohizana izany na hatramin’ny 2 ora maraina aza. Maty tampoka anefa ny jiro tamin’ny misasakalina mahery kely.
 Vavolombelona!
Tsy nisy nihetsika tamin’ny toerany ireo voampanga. Nisy tamin’ireo mpitsara no niafina tao ambany latabatra ary niala ny efitra fitsarana avy eo. Rehefa niverina ny jiro dia tsy tsikaritra ilay teny mafy lazaina isaky ny miato ny fitsarana hoe: “Fitsarana”. Niditra ny mpitsara ary nandamina ny entany tavela teo. Ny Filohan’ny Fitsarana kosa nanazava fa noho ny zava-nitranga teo dia voatery tsy maintsy ho faranana ny fitsarana ary hotohizana anio alatsinainy izany. Ny vavolombelona sisa tsy nohenoina no handray fitenenana anio. Heverina fa tsy ho ela dia hamoaka didy ny mpitsara.
V.R.

**Zoma 16 mai 2008 io !

Source : Gazetiko



Rajouter un Feedback

  • Nom:
  • Email:
  • Code Anti-Robot:
  • Feedback: