FITSARANA NY JLY FIDY
Rédigé le Lun 19 Mai, 2008 10:35:27 
Ny zoma maraina**, andro fahatelo nitsaran’ny Fitsarana adiheloka bevava ny Jly Fidy sy ny ekipany momba ilay raharaha fanonganam-panjakana teny amin’ny BANI, tamin’ny 17 novambra 2006. Ankoatra ny fisavan’ny mpitandro filaminana ny mpanatrika ny fitsarana dia novonoina daholo ny finday ary nangonina ny fitaovana rehetra nampiahiahy. Nitohy hatramin’ny misasakalina ny fitsarana. Vavolombelona 36 no nokasaina hohenoina tamin’io ary nilaza mialoha ny Filohan’ny Fitsarana fa hotohizana izany na hatramin’ny 2 ora maraina aza. Maty tampoka anefa ny jiro tamin’ny misasakalina mahery kely.
Vavolombelona!
Tsy nisy nihetsika tamin’ny toerany ireo voampanga. Nisy tamin’ireo mpitsara no niafina tao ambany latabatra ary niala ny efitra fitsarana avy eo. Rehefa niverina ny jiro dia tsy tsikaritra ilay teny mafy lazaina isaky ny miato ny fitsarana hoe: “Fitsarana”. Niditra ny mpitsara ary nandamina ny entany tavela teo. Ny Filohan’ny Fitsarana kosa nanazava fa noho ny zava-nitranga teo dia voatery tsy maintsy ho faranana ny fitsarana ary hotohizana anio alatsinainy izany. Ny vavolombelona sisa tsy nohenoina no handray fitenenana anio. Heverina fa tsy ho ela dia hamoaka didy ny mpitsara.
V.R.
**Zoma 16 mai 2008 io !
Source : Gazetiko
Le Pentagone veut pouvoir détruire tous les sites Internet qui le gênent
Rédigé le Lun 19 Mai, 2008 07:24:34 
La « guerre des réseaux » (Network Warfare) est du ressort de l’Armée de l’Air. Elle est dirigée par le général Keith B. Alexander, le patron de la NSA.
La 67eme brigade de guerre des réseaux dispose déjà de plus de 8 000 hommes sous le commandement du colonel Joseph Pridotkas. L’un de ses esquadrons sera équipé, d’ici octobre, de puissants robots capables de faire tomber des milliers de sites à la fois. Il s’agit d’appliquer le concept du « tapis de bombes » au cyberspace, indique le colonel Charles W. Williamson dans le dernier numéro de l’Armed Forces Journal.
NOPOTEHINA I BURMANIE MBA HIDIRANA AO AMINY ?
Rédigé le Mer 07 Mai, 2008 15:33:48 
Nanaitra sy nahatohina ny rehetra ny fandrenesana fa nopotehin'ny Cyclone Nargis i burmanie , aman'alina no maty....
Tsy mbola nisy loza toa izany , na dia teto madagasikara kianjan'ny cyclone aza...
Toa mampieritreritra ny tranga toa iny, satria raha mahalala ny momba ny projet Haarp isika dia ahafantatra fa afaka mampiasa io fitaovana io ny Amerikana mba hanapotehana firenena iray amin'ny alalan'ny loza "lazaina fa voajanahary"
toerana tsy misy demokrasia i Burmanieka tsy tafiditra any ny mpanambola tandrefana noho izany, sahirana mihintsy ny amerikana sy ny tandrefana satria tsy afaka mampiasa ONG isankarazany mba hanaovana trafic sy hanampiana mpanao politika hanohitra fitondrana sns...
Mety hany herin'ndry zalahy angamba nampiasa ny "projet HAARP" , amin'izay dia tsy menatra akory izy manolotra fanampiana amina million de dollars...sady afaka manararaotra miditra malalaka..
Efa teo no niala ny firenena iraniana nandritra ny horohoron-tany NANJO azy!
atao inona ireo vola amina millions de dollars ireo? dia hoe vokatry ny fitiavana ny vahoaka burmanie ve izany ? tsy manaiky tsotra anefa ny miaramila any burmanie fa mitandrina mafy amin'ny fidiran'ny ONG sy ireo milaza fa hanampy ny vahoaka sy ny firenena sahirana...
Marina ny azy! sao dia milaza fa hanampy kanefa manararaotra manao sabotazy ...na mikonokonona hanongana ny fitondrana...
Tsy hoe manohana anjambany ny "didy jadona" aho akory, fa mba mahasosotra ahy ny methode n'ireto firenena matanjaka ireto.
afaka manao recherche mikasika ny projet HAARP isika raha liana !
vaovao farany
Sahirana mafy i Andry TGV
Rédigé le Ven 04 Avr, 2008 08:29:16 
Mba mampalahelo ahy kosa ny manjo ny eto @ tanana amin'izao fotoana izao; hatramin'ny naha lany an'i Andry Tgv ka naharesy ny candidat TIM dia tsy mitsahatra mihintsy ny sabotage (raha ny fahitako azy) manjo ny ben'ny tananantsika vaovao ity:
Voalohany : Novana ny lalàna ka manjary tsy afaka manendry chef fokotany ny ben'ny tananan'Antananarivo (afaka nanendry izay tiany anefa i Rafalimanana)
Faharoa: Novana ny lalàna ka manjary lasa categorie "cinq" na fahadimy indray ny arifenitra misy an' Antananarivo renivohitra , izany hoe tsy maintsy arotsaka any amin'ny Tresor avokoa ny vola miditra rehetra, ary tsy maintsy mahazo ny fankatoavan'ny tresor koa vao afaka mandoa ny volan'ny fournisseurs...( Taloha anefa i Rafalimanana TIM dia lazaina fa "statut" spécial no misy an'Antananarivo satria renivohitra izy, ary toa afaka nanao izay danin'ny kibony (ho fampandrosoana ny tanana) ny mpitantana teo aloha ...)
Fehiny : Toa mikasa ny hanapotika an'i Andry Tgv ny TIM , kanefa dia ho potika miaraka amin'izay koa ity tananantsika ity ! Aiza ho aiza ilay tena fitiavantanin-drazana amin'izany e? hadinon'ny TIM fa matoa izy ireo tsy lany intsony dia nohon'ny ataon'ireo olona ifotony tahaka ny chef fokotany sns ... kanefa na dia nikasa hanova izany aza ny mpifidy dia toa tsy afaka manao na inona na inona satria ... novàn'ny TIM ny lalàna hifanaraka @ filàny !
farany : raha mitohy izao dia mety hampitroatra vahoaka ! mba marina moa...
Fifidianana manakaleo
Rédigé le Jeu 13 Mar, 2008 11:00:01 
izaho ry reto tena leo be ny resaka fifidianana eto Madagasikar kah! be loatra le zavatra tsy mandeha amin'ny laoniny, hany ka na andeha handatsabato aza tsy mampazoto ahy!
maninona anefa raha tonga dia tendrena daholo ny olona rehetra e! le fifidianana eto amin'ny tanana ohatr'izay tian'ny fanjakana ho lany ihany no atao lany ,
tamin'ny omaly izao dia misy resaka mahasosotra be henoko tamin'ny vaovao hoe "hosaziana sa hosamborina izay mamporisika ny olona tsy hifidy" enga anie ka tsy ho marina izany , fa raha marina izany dia tsy zo intsony zany ny mifidy fa adidy !
ka raha tsy misy tianay ary ve eo dia tsy mainsy hifidy izahay e?
http://www.voltairenet.org