permalien MIHAMAIZINA SA MIHAMAZAVA

Rédigé le Mer 21 Mai, 2008 10:21:46 Ajouter un commentaire

Bonjour daholo !

Miala tsiny aloha raha manoratra teny Malagasy mifangaro aho, fa ny manoratra teny hafa (Frantsay sy Anglisy) dia tsy manavanana ahy loatra, izany no mahatonga ahy manao citation na reproduction na article rehefa misy hevitra hitako fa mahaliana...

Nisafo ny "internet" amin'ny ankapobeany aho tato ho ato ary dia vaovao ratsy hatrany no hita sy misongadina..., misy koa vaovao izay tsy mivoaka @ haino aman-jery mahazatra...

  • Crise alimentaire mondiale , volana jolay 2008 io vao midona mafy aty amintsika (M/car)
  • Manomana ady nokleary amin'i Iran sy Syrie i Bush miaraka amin'i Israel
  • Mafana ny adihevitra mikasika ny planete NIBIRU (planet X) sy ny mponina ao aminy.. izay mandalo isaky ny 3600 taona, (ao ambadiky  ny masoandro izy amin'izao..hono ! mitatitra fotsiny aho io
  • Miova tanteraka ny toetr'andro, tsy mety mandray anjara amin'ny fitsinjovana izany ny fanjakana Amerikana (misy milaza koa fa vokatry ny fanantonan'i Nibiru io..
  • Adihevitra be koa ny mikasika ny taona 2012, ny renversement de pôle.., ny calendrier Mayas...

eto Madagasikara  dia

  • Malaza ny hala-jaza.. (hatao sorona hitazomana fitondrana (hono aloha ), hakàna taova.., ny trafic na taolam-paty sns)
  • Manjaka tanteraka ny fitondrana (mpitondra )
  • Tsy misy apoaka ny mpanohitra (politika)
  • Migadra sy voaheloka 10-15 taona ry Jly Fidy sy Pety
  • Manotany tena koa aho hoe misy ifandraisany amin'ny resaka 2012 eran-tany ve ny faminanian'i Ptr Mailhol @ 2013,

Tsy misy ho avy mamiratra aloha raha ny "court tèrme" fa dia mino fotsiny aho fa hisavoritaka ity taona 2008 ka hatramin'ny 2013 ity !...ary aorian'izay dia hilamina isika rehetra...

Matahora an'i Jehovah Mpahary, minoa an'i Kristy !Samia manao ny rariny !  Manajà olona, Tiavo ny manan'aina rehetra ! Aza mora kivy ...

Dinika

 



Rajouter un Feedback

  • Nom:
  • Email:
  • Code Anti-Robot:
  • Feedback: