permalien Sahirana mafy i Andry TGV

Rédigé le Ven 04 Avr, 2008 08:29:16 Ajouter un commentaire

Mba mampalahelo ahy kosa ny manjo ny eto @ tanana amin'izao fotoana izao; hatramin'ny naha lany an'i Andry Tgv ka naharesy ny candidat TIM dia tsy mitsahatra mihintsy ny sabotage (raha ny fahitako azy) manjo ny ben'ny tananantsika vaovao ity:

Voalohany : Novana ny lalàna ka manjary tsy afaka manendry chef fokotany ny ben'ny tananan'Antananarivo (afaka nanendry izay tiany anefa i Rafalimanana)

Faharoa: Novana ny lalàna ka manjary lasa categorie "cinq" na fahadimy indray ny arifenitra misy an' Antananarivo renivohitra , izany hoe tsy maintsy arotsaka any amin'ny Tresor avokoa ny vola miditra rehetra, ary tsy maintsy mahazo ny fankatoavan'ny tresor koa vao afaka mandoa ny volan'ny fournisseurs...( Taloha anefa i Rafalimanana TIM dia lazaina fa "statut" spécial no misy an'Antananarivo satria renivohitra izy, ary toa afaka nanao izay danin'ny kibony (ho fampandrosoana ny tanana) ny mpitantana teo aloha ...)

Fehiny : Toa mikasa ny hanapotika an'i Andry Tgv ny TIM , kanefa dia ho potika miaraka amin'izay koa ity tananantsika ity ! Aiza ho aiza ilay tena fitiavantanin-drazana amin'izany e? hadinon'ny TIM fa matoa izy ireo tsy lany intsony dia nohon'ny ataon'ireo olona ifotony tahaka ny chef fokotany sns ... kanefa na dia nikasa hanova izany aza ny mpifidy dia toa tsy afaka manao na inona na inona satria ... novàn'ny TIM ny lalàna hifanaraka @ filàny !

farany : raha mitohy izao dia mety hampitroatra vahoaka ! mba marina moa...



Rajouter un Feedback

  • Nom:
  • Email:
  • Code Anti-Robot:
  • Feedback: