Fifidianana manakaleo
Rédigé le Jeu 13 Mar, 2008 11:00:01 
izaho ry reto tena leo be ny resaka fifidianana eto Madagasikar kah! be loatra le zavatra tsy mandeha amin'ny laoniny, hany ka na andeha handatsabato aza tsy mampazoto ahy!
maninona anefa raha tonga dia tendrena daholo ny olona rehetra e! le fifidianana eto amin'ny tanana ohatr'izay tian'ny fanjakana ho lany ihany no atao lany ,
tamin'ny omaly izao dia misy resaka mahasosotra be henoko tamin'ny vaovao hoe "hosaziana sa hosamborina izay mamporisika ny olona tsy hifidy" enga anie ka tsy ho marina izany , fa raha marina izany dia tsy zo intsony zany ny mifidy fa adidy !
ka raha tsy misy tianay ary ve eo dia tsy mainsy hifidy izahay e?