permalien Ankizivavy kely hoe nilatsahan’ny fanahy masina

Rédigé le Mar 20 Mai, 2008 09:00:15 Ajouter un commentaire

Tao anatin’ny fotoana fifadian-kanina tanteraka tamin’io fotoana io ka mivavaka be.
Dia tena nahazo ny fahasoavan’ny Tompo tokoa ve ity ankizivavy kely iray nilaza ho nilatsahan’ny fanahy masina ity ka lasa niboredika niteny anglisy tampotampoka teo ary tsy miteny gasy hatramin’izao. Tany Faratsiho no nitrangan’ity toe-javatra ity, ny 9 mey lasa teo. Araka ny fanazavan’ireo mpiara-mivavaka aminy, dia nijoro vavolombelona tao am-piangonany Raharinaivo Laingo Prisca, 14 taona, fa hoe nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pantekoty teo. Nanamafy ny talen-tsekoly ianarany fa tsy mahay miteny anglisy mihitsy izy fa vao mianatra satria ao amin’ny kilasiny no manomboka mianatra an’io taranja io.
Mivavaka ao amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy ry zareo satria taizana pasitera ao izy. Tao anatin’ny fotoana fifadian-kanina tamin’io fotoana io ka mivavaka be. Nivadi-dela tampoka teo rakalakely ary lasa niteny anglisy ary tsy niverina tamin’ny laoniny intsony ny fiteneniny hatramin’izao. Mahazo fiteny malagasy izy saingy tsy mahay mamaly olona amin’io teny io fa soratra fotsiny no ifandraisany. Lasa tsy miresaka izy raha tsy anontaniana, asa noho ilay tsy fifankazahoam-piteny angaha. Voalaza fa toa niova mihitsy izy hatramin’izay nivadihany lela izay. Lasa mivavaka be izy ary miramirana foana indrindra rehefa mahavita zavatra iray.
T.H / R.C / Lova

Source : http://www.gazetiko.mg/gazetiko/index.php?option=com_content&task=view&id=2072



Rajouter un Feedback

  • Nom:
  • Email:
  • Code Anti-Robot:
  • Feedback: