permalien Veseau Extraterrestre @ 14 Oktobre 2008 ?

Rédigé le Ven 10 Oct, 2008 07:58:19 Ajouter un commentaire

Misy siosion-dresaka mandeha sy malaza be amin’ny internet izay milaza fa hisy « veseau na sambon-danitra extraterrestre » goavana be ,avy amin’ny « fédération nordique »  hiseho ka ho taza-maso amin’ny 14 oktobra 2008, somebiseby avokoa ireo « mpiondana » io votoatin-dresaka io, misy mantsy ireo milaza fa  manana fifandraisana amin’ireo extraterrestre ireo ka nampita izany hafatra izany amin’ny olombelona rehetra « hono ».

Ny vaovao tahaka itony anefa dia tsy azo alaina ambolony satria efa maromaro ihany ny lasa « tsaho » tamin’ny fotoana lasa…, sady misy ihany koa ireo voalaza fa « manao sondage » hitsapana hoe « hatraiza no ho fihetsika (réaction ) n’ny vahoaka raha ambara aminy tokoa fa misy ny «zava-boary manantsaina ankoatry ny olombelona eto ambonin’ny tany »

Sady efa akaiky ihany koa ny daty voatondro dia ho hita eo na resaka tena marina ity na mijanona ho tsaho tahaka ny nisy hatramin’izay ihany!

Source





Rajouter un Feedback

  • Nom:
  • Email:
  • Code Anti-Robot:
  • Feedback: